Karazana tolotra misy eto amin'ny Tsaradia
Tsaradia dia manolotra ambaratonga 6 ho an'ny mpanjifany, misy ambaratonga sy fetra samihafa (fahafana manova tapakila na famerenana ny volanao). Ny tolotra tsirairay dia voafetra amin'ny sidina.
Ireto avy ny karazana tolotra amin'ny "Loisirs" anisan'ny sarany mora indrindra eto amin'i Tsaradia :
- Légereté : ny mora indrindra, miaraka amin'ny entana voafetra ho 5kg.
- Ny tolotra "Promos" : mitovy vidy amin'ny "légèreté", ary miaraka amin'ny entana milanja 20kg de bagage ao amin'ny "Soute" sy 5kg entina tanana. (Voafetra ny famarotana io tolotra io)
- Ny tolotra "Coup de coeur" : mora vidy, ary miaraka amin'ny entana milanja 20kg de bagage ao amin'ny "Soute" sy 5kg entina tanana.
Ny tolotra "Loisirs" tsotra :
- Ny tolotra "Découverte" : Azo ovaina ny daty (avec pénalités, avec réajustement si tarif non disponible). ary miaraka amin'ny entana milanja 20kg de bagage ao amin'ny "Soute" sy 5kg entina tanana.
- Ny tolotra "Liberté" : Azo ovaina ny daty ary azo angatahana famerenam-bola (tsy misy sarany, misy fanitsiana ny sarany raha tsy misy intsony ny tolotra). ary miaraka amin'ny entana milanja 20kg de bagage ao amin'ny "Soute" sy 5kg entina tanana.
Ny tolotra "Privilège":
- Azo ovaina ny daty ary azo angatahana famerenam-bola (tsy misy sarany) ary miaraka amin'ny entana milanja 30kg de bagage ao amin'ny "Soute" sy 10kg entina tanana.
Ireo karazana tolotra eto amin'ny Tsaradia :
Kabinina | Karazana tolotra | Fanovana daty | Fangatahana famerenam-bola | Lanjan'ny entana azo entina | Fihenam-bidy | Kaodin'ny tolotra |
---|---|---|---|---|---|---|
PRIVILEGE | Privilège | Azo atao, tsy misy sarany mialohan'ny sidina | Azo atao, tsy misy sarany mialohan'ny sidina | En cabine : 1pc de10kg En soute : 1pc de 30kg | Enfant : 25% Bébé : 90% | J,C |
LOISIRS | Liberté | Azo atao, tsy misy sarany mialohan'ny sidina | Azo atao, tsy misy sarany mialohan'ny sidina | En cabine : 1pc de 5kg En soute : 1pc de20kg | Enfant : 25% Bébé : 90% | Y |
Découverte | sarany fanovana mialohan'ny sidina : 70.000 ar | Tsy azo atao | En cabine : 1pc de 5kg En soute : 1pc de 20kg | Enfant : 25% Bébé : 90% | M,S,L | |
Coup de coeur | Tsy azo atao | Tsy azo atao | En cabine : 1pc de 5kg En soute : 1pc de20kg | Enfant : 0 à 25% Bébé : 90% | E,K | |
Légereté | Tsy azo atao | Tsy azo atao | 1 seul bagage de 5kg | Enfant : 0 à 25% Bébé : 90% | I,X | |
Promo | Tsy azo atao | Tsy azo atao | En cabine : 1pc de 5kg En soute : 1pc de20kg | Enfant : 0 à 25% Bébé : 90% | H | |
Roso e ! * | Tsy azo atao | Tsy azo atao | En cabine : 1pc de 5kg En soute : 1pc de 20kg | Enfant : 0 à 25% Bébé : 90% | V |
Ireo tolotra « Loisirs promotion »
Ity ny tolotra mora indrindra ato amin’ny Tsaradia. Noho izy tolotra mora indrindra izany, voafetra ny isan’ny tolotra. Izany hoe, voafetra ny fanoloana sy famerenana ny tapakila fiaramanidina, na ihany koa ny fetran’ny entana azo hoentina. Ireto manaraka ireto ny karazana tolotra "promotion" :
- "Légereté" : Tolotra mora, tsy misy entana ary manan-kery mandritra ny taona (isa voafetra isakin’ny sidina).
- "Coup de coeur" : Manan-kery mandritra ny taona miaraka amin’ny entana 20kg any amin’ny « soute » ary 10kg entina tanana (isa voafetra isakin’ny sidina).
- "Roso e" : Tolotra « promo » miaraka amin’ny entana 20kg mitovy vidy amin’ny tolotra « légereté ». Manan-kery mandritra ny fotoana voafetra, amin’ny sidina voafantina.
Fepetra amin’ny famerenana vola
Ny tolotra "Légereté", "Coup de coeur", ary "Roso e" dia tsy afaka ovaina, na averina.
* Varotra tselatra manan-kery amin’ny sidina voafantina, miainga amin’ity 3 herinandro manaraka ity.
Ireo tolotra "Loisirs" tsotra
Miaraka amin’ny tolotra tsotra, manana fahafahana hanova na ny hamerenana ny tapakila araka izay tiana. Safidio ny tapakila afaka ovaina sy averina (ny fanitsiana ny saran’ny tapakila dia ampiharina raha ambony noho ny saran’ny tapakila voalohany ny vidin’ny tapakila vaovao).
Ireo tolotra TSARADIA afaka ovaina :
- Privilège : Fanovana tsy misy sarany.
- Liberté : Fanovana tsy misy sarany.
- Découverte : Fanovana misy sarany.
Fepetra amin’ny fanovana :
- Ny tapakila amin’ny tolotra "Découverte" dia afaka ovaina fa misy sarany, miaraka amin’ny fanintsiana raha tsy manan-kery ny tolotra.
- Ny tapakila amin’ny tolotra "Liberté", Ovao araka izay tianao ny sidina anao. Ny fanovana na ny toerana ho aleha dia tsy misy sarany.
- (Ny fanitsiana ny saran’ny tapakila dia ampiharina raha ambony noho ny saran’ny tapakila voalohany ny vidin’ny tapakila vaovao).
Fepetra amin’ny famerenana vola
- Privilège : afaka averina.
- Liberté : afaka averina.
- Découverte : Tsy afaka averina.
Ireto avy ny famerenam-bola amin’ny tolotra "Liberté" :
- Ny fidin’ny tapakila tsy misy hetra.
- Ny hetra « YQ ».
- Ny hetran’ny seranam-piaramanidina.
Tsy mamerina ny « frais de service » (5€) izahay.
Ny tolotra "Privilege"
Ny tombony tolotra « privilège » :
Ity tolotra ity no ahazoana tombony indrindra. Manana fahafahana hanova ny daty sy ny toerana alehatsy misy sarany na ihany koa mangataka famerenana tapakila, izany dia tsy misy sarany*
Misitraka :
- Fitondrana entana faran’ny ambony indindra, dia 40kg ny fitambarany (10kg eny an-tanana ary 30kg any amin’ny « soute »).
- Fahafahana miditra ao amin’ny « Lounge » TSARADIA amin’ny fiaingana ao Antananarivo.
- Filaharana laharam-pahamehana
- Sy maro hafa koa...
Fepetra amin’ny famerenana vola
Ireto avy ny famerenam-bola amin’ny tolotra "Privilège" :
- Ny fidin’ny tapakila tsy tafiditra ny hetra.
- Ny hetra « YQ ».
- Ny hetran’ny seranam-piaramanidina.
- Tsy mamerina ny « frais de service » (5€).
Fepetra amin’ny fanovana
- Ovao araka izay tianao ny sidina anao. Fanovana ny daty sy ny toerana aleha tsy misy sarany (miaraka amin’ny fanintsiana saram-piaramanidina raha tolotra tsy manan-kery, na taorian’ny fanovana toerana aleha).
Fihenambidy ho an’ny ankizy sy ny zaza
Ny ankizy sy ny zaza dia mahazo fihenambidy ato amin’ny sidina Tsaradia. Ny ankizy iray dia mahazo fihenambidy 50% amin’ny vidina tapakila ho an’olon-dehibe iray ary ny zazakely kosa dia 90%.Ny ankizy sy ny zaza dia mahazo fihenambidy ato amin’ny sidina Tsaradia. Ny ankizy iray dia mahazo fihenambidy 50% amin’ny vidina tapakila ho an’olon-dehibe iray ary ny zazakely kosa dia 90%.
Sarany ho an’ny ankizy (2 hatramin’ny 11 taona)
Fepetra momba ny vidiny:
Misy fihenambidy 0 hatramin’ny 25% amin’ny vidina tapakila ho an’olon-dehibe ny sarany ho an’ny ankizy, ao amin’ny tolotra « Privilège » sy « Loisirs ».
Tsy maintsy misy olon-dehibe iray manaraka ny ankizy 2 hatramin’ny 4 taona.
Afaka misidina irery ny ankizy 5 hatramin’ny 11 taona (jereo ny andininy manaraka).
Mitovy ny tombony azon’ny ankizy sy ny olon-dehibe amin’ny fitondrana entana, na ny entina tanana na ny atao any amin’ny « soute » izany.
Ny ankizy tsy misy mpanaraka (UM)
Araka ny fangatahan’ny ray aman-dreny, afaka raisina tahakan’ny UM (unaccompagned minor) ny ankizy 5 hatramin’ny 11 taona.
Tsy maintsy hampafantarina mandritran’ny famandrihana raha hisidina tsy misy mpanaraka ny ankizy iray. Raha an-tserasera no hanaovana ny famandrihana, angatahina ianao hifandray aminay, na hiantso ny foibe fandraisana antso +261 20 23 444 44
Eny amin’ny seranam-piaramanidina
Hisy ny fitakiana fanomezan-dalana avy any amin’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka mandritra ny fisoratana.
Misitraka ny fiantsonana laharam-pahamehana ny fianakaviana misidina miaraka amin’ny ankizy 2 hatramin’ny 4 taona.
Fihenambidy ho an’ny zaza (7 andro hatramin’ny 23 volana)
Fepetra momba ny vidiny:
Mahazo fihenambidy 90% ny zaza misidina eo am-pofoana. Indraindray, afaka fandrihana toerana tahaka ny ankizy izy (tolotra ankizy) mba ahazoany fipetrahana manonkana.
Tsy maintsy misy olon-dehibe manaraka ny zazakely iray.
Amin’ny tolotra « Privilège » sy « Loisirs », mahazo mitondra entana 10kg ny zaza iray.
Ny zazakely eny amin’ny seranam-piaramanidina
Maimaimpoana ny fitondrana « poussettes ». Fa mila hampafantarina amin’ny fotoanan’ny fanoratana anarana fotsiny, asiana famantarana tahaka ny entana rehetra ihany saingy afaka hampiasaina hatreny amin’ny varavaran’ny fiaramanidina.
Misitraka ny fiantsonana laharam-pahamehana ny fianakaviana misidina miaraka amin’ny ankizy 2 hatramin’ny 4 taona.
Ireo olona manana fahasembanana sy tsy dia afaka mivezivezy
Manolotra fanampiana manokana ho an’ny olona manana fahasembanana sy fahasahiranana izahay amin’ireo sidina misy (PHMR).
Amin’ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena, hijery sy hanara-maso anao mandritra ny fiatoana, mandritra ny sidina ary mandritra ny fifampiraharahana amin’ny serivisin’ny seranam- piaramanidina ny ekipa ato aminay. Misy toerana natokana ho anao mandritra ny sidina satria efa misy fitaovana natokana ho an'izany ao amin'ny fiaramanidina.
Ho an’ireo olona izay tarihin’ny alika miaraka aminy dia afaka manaraka anao izy hatreny amin’ny kabinina.
Amin’izany, mila hampafantarina mandritra ny famandrihana ny kilema hanananao mba hijerena mialoha ny fepetra tokony ho raisina.
Raha efa namandrika toerana ianao kanefa mila fanampiana raha vantany vao eo amin’ny fandraisana anarana dia afaka manao fangatahana eto.
Ho valiana araka izay azo atao ny fangatahanao.
Ireo haba mandrafitra ny tapakilan’ny fiaramanidina
Amin'ny sehatra iraisampirenena, misy ny masontsivana marobe manangana ny vidin'ny tapakilan'ny fiaramanidina: amin'ny lafiny iray dia misy ny vola azon'ny orinasa, ary etsy ankilany ny hetra isan-karazany.
Ho an'ny TSARADIA, ny vola miditra dia manodidina ny 40% amin'ny vidin'ny tapakila, ary ny hetra isan-karazany dia 60%.
Ny vola miditra dia misy strata maromaro toy ny fandaniam-bolan'ny solika, ny fividianana sy ny fikojakojana ny fiaramanidina, ny vidin'ny sakafo sy ny zava-pisotro alefa eny amin'ny fiaramanidina, ny vidin'ny varotra sy ny dokam-barotra ary ny tombom-barotra.
Ny haba isan-karazany alohan'ny mpandeha Tsaradia dia:
1. Ny hetra YQ: ny antsoina hoe "Surcharge carburant" izay taha miankina amin'ny fiovan'ny vidin'ny solika. Izy io koa dia hetra amin'ny fandaniam-bola sy fiantohana fiantohana. (miovaova arakaraky ny vidin'ny solika)
2. Ny haba G9 (seranam-piaramanidina Ravinala) na haba A5 (hafa): hetra mifandraika amin'ny fampiasana ny seranam-piaramanidina eto Antananarivo sy any amin'ireo faritra. Izy io dia hetra isaina isaky ny mpandeha ao anaty fiaramanidina.
3. Ny Haba amin’ny sanda hary (TVA) : ity no haba ampidirina. (hatramin'ny 20% amin'ny vola azon'i Tsaradia)
4. Ny Haba MG: ity ny hetra mifandraika amin'ny fiasan'ny Aviation Civile eto Madagasikara, fa koa amin'ny fampandrosoana ny faritry ny fiaramanidina sivily.
5. Hetra YR: maneho ny saram-pitantanana rehetra sy ny sarany mifandraika amin'ny famandrihana. Samy hafa izy io isaky ny masoivoho Tsaradia. (eto amin'ny Tsaradia dia 10 € isaky ny olona)
Fandoavam-bola an-drohy
TSARADIA dia manolotra fomba 2 handoavam-bola an-drohy. Manana fahafahana ianao na handoa vola amin’ny "Euros (€)" na amin’ny vola malagasy "Ariary (MGA)".
Fandoavam-bola amin’ny Euro
Raha amin’ny Euro, manana fahafahana ianao hividy ny tapakila TSARADIA amin’ny alalan’ny karatra banky:
- VISA
- MASTERCARD
Fandoavam-bola amin’ny Ariary
Raha amin’ny Ariary, manana fahafahana hividy ny tapakila TSARADIA amin’ny « carte bancaires » na « Mobile money » eto an-toerana ianao :
Cartes bancaires :
- VISA
- MASTERCARD
Mobile Money :
- MVola
- Orange Money
Azo antoka daholo ny fandoavam-bola.
Tolotra ho an’olona maro (mpandeha mihoatra ny 10)
Mety ho sarotra ny ahita sidina ho an’olona maro eto amin’ny Tsaradia noho ny toerana voafetra. Mahaliana ny mpandeha maromaro te hiaraka hisidina ny tolotra « groupe ».
Manamora ny fikarakarana ny dia amam-bondrona mihoatra ny olona 10 ny TSARADIA, amin’ny fanankanana ireo sezan’ny sidina izay nosafidiana.
Miaraka amin’ny fepetra tsotra, ny tolotra « groupe » ny TSARADIA dia :
- Ahafahana mamandrika mialoha ny toerana na dia mbola tsy fantatra ary ny momban’ny mpandeha.
- manolotra fandoavam-bola tsotra (indrindra ho an’ny orinasa, mpitatitra fitetezam-paritra …)
Ny famandrihana ny tolotra « groupe » dia miainga amin’ny saran’ny tolotra «Liberté»*, famandrihana 15 andro mialohan’ny fiaingana.
*Tolotra Y ho an’ny mpivarotra