Famandrihana Hividy tapakila Tsaradia Hividy tapakila miaraka ami'ny Air Madagascar Ny sidina mora Fantaro Guide Prime Media Ireo toeran-kalehanay Collation à bord Fanomanana Ny fandaharan'ny sidina Enregistrement en ligne Karazana tolotra misy eto amin'ny Tsaradia Entana Taratasy momba ny dia Fanampiana manokana ho an'ny tsy salama Fenitra ara-pahasalamana entana alefa Fifandraisana amin'ny Tsaradia Masoivoho Foire aux questions Madagascar Airlines Vaovao farany Madagascar Airlines Le groupe Air Madagascar Momba ny Tsaradia My Capricorne Recrutement

Ireo fanontaniana mipetraka matetika

Hitanao ato ireo fanontaniana matetika mipetraka amin’ny Tsaradia miaraka amin’ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny,  mifandraisa aminay.

 

Tapakila voakasikin’ny valan’aretina Covid-19

Tout billet dont le voyage était prévu durant la période de suspension des vols de Madagascar Airlines ont une validité de 2 ans. Les voyageurs doivent confirmer les nouvelles dates de voyage avant le 31 Décembre 2022 pour pouvoir utiliser de nouveau leur billet d'avion. 

A partir du 01 Janvier 2023, les billets et les avoirs non utilisés ou sans demande d'utilisation reçues avant la date d'expiration ne peuvent plus être utilisés.

Votre billet d'avion avec Madagascar Airlines

Vous pouvez consulter votre réservation ou votre billet d'avion en ligne en vous rendant sur la page d'accueil. Recherchez le lien "Ma réservation". Vous devrez fournir votre numéro de réservation et votre nom pour accéder à vos informations de vol. À partir de là, vous pourrez consulter les détails de votre réservation, les conditions tarifaires, les franchises bagages, y compris les horaires de vol et d'autres informations pertinentes.

Paiement en agence :

Madagascar Airlines accepte plusieurs méthodes de paiement en agence. Vous avez la possibilité de payer par carte bancaire (Visa, MasterCard), ou par Mobile Money MVola ou Orange Money .

Paiement à distance :

Après avoir réservé sur Madagascar Airlines, nos équipes vous enverront un email contenant un lien de paiement sécurisé.

Une fois le paiement effectué, le billet d'avion vous sera envoyé par les équipes de Madagascar Airlines.

Vous avez la possibilité d'acheter votre billet d'avion sur le site de Madagascar Airlines. Il suffit de remplir le formulaire de réservation, de personnaliser son voyage durant la sélection du vol.

Famandrihana, fividianana tapakila sy fanovana sidina

Dingana 1 : Fenoy ny taratasy famandrihana

  • Raha hamandrika an-drohy, mila mameno ireto manaraka ireto amin’ny taratasy famandrihana :
  1. Ny lalana (Mandroso ihany na Mandroso sy miverina)
  2. Seranam-piaramanidina iaingana
  3. Seranam-piaramanidina ahatongavana
  4. Daty iaingana
  5. Miovaova ny datin’ny sidinako
  6. Ny isa sy ny olona handeha (olon-dehibe, zaza, zazakely)
  7. Ny fomba handoavam-bola
  • Tsindrio ny bokotra « fandrihina »

Dingana 2 : Safidio ny tolotra, vakio ary ekeo ireo fepetran’ny tolotra.

  • Amin’ity dingana ity, safidio ny tolotra mety aminao amin’ireo tolotra rehetra misy.
  • Vakio ny fepetra fampiasa amin’ny ankapobeny ary ekeo izany amin’ny alalan’ny fanamarinana ny boaty voatokana.

Tsindrio ny "hiditra ary hamandrika" raha efa nanokatra kaonty ianao tamin’ny famandrihana teo aloha.

Tsindrio ny  "famandrihana tsy mila kaonty" raha mbola tsy nanokatra kaonty ianao tamin’ny famandrihana teo aloha.

Dingana 3 : Sorato ireo mombamomban’ny mpandeha

Sorato ireo mombamomban’ny mpandeha :

  • Ireo hahafantarana ilay mpandeha eny amin’ny seranam-piaramanidina
  1. FIRENENA
  2. ANARANA
  3. FANAMPIN’ANARANA
  4. DATY NAHATERAHANA
  5. NUMÉRO DE VOYAGEUR FRÉQUENT (Facultatif)
  • Ireo ahafahana mifandray
  1. EMAIL
  2. TÉLÉPHONE À DESTINATION
  3. TEL. MOBILE

Dingana 4 : Manampia tolotra fanampiny :

  • Fahafahana miditra ao amin’ny "lounge TSARADIA"
  • Safidio ny toerana tianao hipetrahana eny ambony fiaramanidina (ho an’ny tolotra découverte, Liberté, privilège)
  • Tsindrio ny bokotra "tohizana"

Fanamarihana : manomboka eto amin’ity dingana ity, voasoratra ho isan’ny mpandeha amin’ny sidina ianao. Hiangaviana ianao mba hitadidy ny laharan’ny dosie anao mba hialana amin’ny olana.

Dingana 5 : Ataovy ny fandoavam-bola

  • Safidio ny fomba handoavanao vola :
  1. Amin’ny Euro : CB, Visa sy Mastercard
  2. Amin’ny Ariary : Visa, Mastercard, MVola sy Orange Money.
  • Arao ireo toromarika araky ny safidy nataonao.

Rehefa mividy ny tapakila eny amin’ny masoivoho TSARADIA, afaka manova na manafoana ny tapakilanao ianao amin’ny alalan’ny dingana vitsivitsy monja. Ireto avy no atao :

Ao amin’ny tranonkala TSARADIA

1. Tadiavo ny sidina anao na ny famandrihana nataonao

Mila an’ilay « référence de dossier » izay misy tarehintsoratra  6 (antsoina ihany koa hoe PNR, na dosien'ny famandrihana). Raha tsy fantatrao ny « référence de dossier », dia afaka jerena any amin’ny mailaka fanamafisana izay azonao nandritran’ny famandrihana ny sidina.

2. Mifandraisa amin’ny famandrihana nataonao

Tsidio ny pejy "Ma réservation sans compte".

Raha te hijery ny famandrihana nataonao an-drohy ianao, fenoy avokoa ireto manaraka ireto ; ny « numéro de dossier » : na référence de réservation, dia kaody tokana misy tarehintsoratra 6 : (ohatra ABC123)

Ny anaran’ny mpandeha : izy io dia ny anarana feno nosoratana nandritran’ny famandrihana. (Ohatra : Dupont, ou Jean Jacques).

Mety misy sarany ny fanovana arakaraky ny tolotra hanananao.

Antsoy ny foibe fandraisanay antso raha te hanova sidina :

Afaka manova sidina ianao amin’ny alalan’ny fiantsoana ny foibe fandraisana antso. Hisy hanoro ny tokony ataonao ao.

Mankanesa eny amin’ny masoivoho akaiky anao raha te hanova ny sidina :

Faly handray sy hanampy anao izahay eny amin’ny masoivoho sy eny amin’ny mpisolotenanay manerana izao tontolo izao. Jereo ny masoivoho akaiky anao ao amin’ny Fitadiavana masoivoho Tsaradia.

Fanamarihana : Raha nividy tapakila tany amin’ny mpikarakara dia ianao, dia izy ireo no miandraikitra tanteraka ny tapakila anao.

Afaka mamandrika toerana efatra ora mialohan’ny sidina ianao. Raha aorian’izay kosa dia manatona masoivoho TSARADIA na manatona ny « comptoir de billetterie » eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Afaka mamandrika sidina 10 volana mialoha na iray andro alohan’ny sidina ianao ato amin’ny ato amin’ny tsaradia. Tsindrio eto raha hamandrika sidina

Afaka mividy tapakila ho an’olona 9 ianao ao amin’ny tsaradia.com. Raha ho an’olona 10 na mihoatra kosa dia mifandraisa amin’ny « sampandraharaha vondrona ».  Hafa ny fepetra famandrihana ampiharina amin’ity sidina ho ana vondrona ity.

Afaka ovain’ny TSARADIA maimaimpoana ny anarana sy fanampin’anarana diso any anaty tapakila raha mbola tsy nihoatra ny 24 ora ny famandrihana nataonao.

Ireto avy no afaka ahintsy:

  • Pelina diso (tsy mihoatra ny litera telo)
  • Nom de jeune fille / mariée pour les femmes mariées
  • Fifamadihan’ny anarana sy ny fanampiny

Ny fanovana ny anarana sy ny fanampiny manontolo dia tsy azo atao satria saropady ny tapakila.

Afaka ovaina ao amin’ny tsaradia.com ny tapakilanao.

Afaka ovaina any amin’ny masoivoho TSARADIA akaiky anao ihany koa ny tapakilanao raha nividy tapakila teny amin’ny masoivoho Air Madagascar, na tao amin’ny tranonkala tsaradia.com, na ihany koa teny amin’ny masoivoho tsaradia ianao.

Eny amin’ny mpikarakara dia izay nanatonanao kosa ianao no manova tapakila raha ilaina izany.

Voatondro amin’ireto ny laharan’ny tapakilanao, amin’ny :

  • Mailaka fanamafisana izay voarainao, tapakila avy any amin’ny seranam-piaramanidina/ na avy any amin’ny masoivohon’ny tapakila eto an-toerana : ao amin’ny taratasy mipetaka, ankavanan’ny anaran’ny mpandeha.

Misy tarehintsoratra 13 amin’ny laharan’ny tapakila ary misy ny kaodin’ny kompaniam-pitaterana an’habakabaka. Laharan’ny tapakila kosa ny tarehimarika 10 farany. Ireo tolotra fanampiny tahaka ny entana, ny toerana hipetrahana dia manana laharana hafa.

Izahay dia manolotra fomba fandoavambola maro amin’ny famandrihana, fanovana, fandefasana izay ataonao.  
Hitanao manaraka eto ireo fomba fandoavambola azo antoka napetrakay.

Ireo fomba fandoavambola misy

Rehefa mamandrika na mividy tolotra fanampiny ato amin’ny TSARADIA, dia manana safidy maromaro amin’ny fandoavambola, tahaka ny :

  • Visa (Fandoavambola amin’ny Euros € sy Ariary MGA)
  • Mastercard (Fandoavambola amin’ny Euros € sy Ariary MGA)
  • CB (Fandoavambola amin’ny Euros €)
  • MVola (Fandoavambola amin’ny Ariary MGA)
  • Orange Money (Fandoavambola amin’ny Ariary MGA)

Rehefa vita ny famandrihana ka tonga eo amin’ny fotoana handoavambola amin’ny alalan’ny carte bancaire ianao, afaka alohanao amin’ny karatra Visa na MasterCard izany, ary mila mameno ny pejy fandoavambola amin’ireto manaraka ireto : 

  • Ny anaran’ny tompon’ny karatra
  • Laharan’ny karatra
  • Daty fahataperan’ny karatra (volana, taona)
  • Kaody fanamarinana ny karatra (laharana 3 aorianan’ny karatra)

Rehefa feno izay : 

  • Tsindrio ny  "Eny, ekeko ny fandoavambola"
  • Hahazo hafatra misy kaody OTP ianao mba hanamarinana ny fandoavambola raha ohatra ka arovan’ny « 3D secure » ny karatrao
  • Hamaranana ny fandoavambola, fenoy an’iny kaody OTP iny ny malalaka
  • Haharay hafatra indray ianao hilaza fa tontosa soa aman-tsara ny fandoavambola

Ny vola Ariary no hampiasaina raha te handoa vola amin’ny alalan’ny MVola. Rehefa avy nisafidy ny fandoavam-bola Mvola, dia misokatra ho azy ny pejy fandoavam-bolan’ny Mvola. Mba hanaovana ny fandovam-bola dia mila :

Sorato ny mombamomban’ny kaontinao :

  • Laharan’ny finday (laharan’ny kaonty MVola)
  • Code visuel (kaody izay misoratra eo amin’ny pejy fandoavambola mba hanamarinana fa tena olombelona ianao)

Ekeo ireo mombamomban’ny kaontinao:

  • Tsindrio ny bokotra « Ekena »
  • Haharay hafatra amin’ny findainao ianao hanasana anao hanamarina ny tenanao
  • Valio amin’ny « code d'identification » MVola

Rehefa voamarina ny fandoavambola:

  • Hisoratra eo amin’ny pejy ny hoe : «vita ny fandoavambola »
  • Ho tonga ho azy ao amin’ny mailaka anao ny tapakilanao.
  • Haharay hafatra sy mailaka fanamarinana avy any amin’ny Mvola koa ianao.

Fanamarihana : Ny fandoavam-bola rehetra dia azo jerena. Ny laharan'ny Transaction dia ahafahan'ny TSARADIA manara-maso ny fandoavanao raha misy olana.

Amin’ny vola Ariary no mandoa raha te handoa vola amin’ny Orange Money. Rehefa avy nisafidy ny fandoavam-bola Orange Money, dia misokatra ho azy ny pejy fandoavam-bolan’ny Orange Money. Mba hanaovana ny fandovam-bola dia mila :

Sorato ny mombamomban’ny kaontinao :

  • Laharan’ny finday (laharan’ny kaonty Orange Money)

Hampidiro amin’ny findainao ireo ita momba ny kaontinao mba ahazoana ny kaody fandoavambola:

  • Tsindrio ny #144*3*3#
  • Mahazo hafatra amin’ny finday ianao mba hanamafisana ny momba anao, hampidiro ny « code Orange Money » anao.
  •  Valio amin’ny « code d'identification » Orange Money anao.
  • Haharay kaody fandoavambola ianao (tarehimarika 6), manakery mandritra ny 15 minitra.
  • Miverena ao amin’ny pejy fandoavambolan’ny Orange Money ary sorato ilay kaody fandoavambola.

Rehefa voamarina ny fandoavambola:

  • Hisoratra eo amin’ny pejy ny hoe : «vita ny fandoavambola »
  • Ho tonga ho azy ao amin’ny mailaka anao ny tapakilanao.
  • Haharay hafatra fanamarinana avy any amin’ny Orange Money koa ianao.

Fanamarihana : Ny fandoavam-bola rehetra dia azo jerena. Ny laharan'ny Transaction dia ahafahan'ny TSARADIA manara-maso ny fandoavanao raha misy olana.

Tsy afaka atao ny manafoana ny fandoavambola. Tsy maintsy manao fangatahana famerenambola raha tianao hiverina ny volanao. Ny famerenambola dia atao amin’ny alalan’ny « virement bancaire » na « chèque ».

Rehefa mividy tapakila TSARADIA ianao, dia misoratra tsara ao anaty ny fepetran’ny tolotra ny fandoavana sazy raha hanova tapakila.

Miovaova araky ny tolotra novidiana ny sazy aloha raha te hanova tapakila.

Ny « réajustement tarifaire » dia onitry ny elanelan’ny vidin’ny tapakila tamin’ny voalohany, sy ny tapakila misy amin’ny datin’ny fanovana.

Rehefa vita ny fandoavam-bola, azonao ho azy ny tapakilan’ny fiaramanidina. Raha sendra diso ny mailaka nomenao dia antsoy ny foibe fandraisana antso +261 20 23 444 44 ary omeo azy ny « laharan’ny dosie » na ny anaran’ilay mpandeha nosoratana anaty tapakila.

Raha ohatra ka tapakila afaka averina no hanananao dia azo atao tsara ny mangataka famerenam-bola.

Ankehitriny mety ho tonga hatramin’ny 120 andro manomboka amin’ny andro nanaovan’ny mpanjifa iray ny fangatahana ny fandinihana famerenam-bola amina tapakila ao amin’ny TSARADIA (site internet, call center ary ireo masoivoho TSARADIA eny Ivato sy any amin’ny faritra).

Azo atao ihany koa ny mangataka taratasim-bola, izay azonao ampiasaina hividianana tapakila vaovao any aoriana.

 Afaka alefanao ny fangatahana amin’ny alalan’ny taratasy fifandraisana.

Fanamarihana: Raha sendra ny tranga tsy azo hanoharana ka tena tsy afaka misidina ny mpandeha iray, mety azo atao ihany ny magataka ampahina famerenambola amin’ny tapakila tsy mety. Tsy miverina kosa ny sarany servisy.

Mbola tsy manaiky ny fandoavambola tsikelikely ny TSARADIA. Jerevo ireo tolotra manokan'i TSARADIA ato amin'ny sidina mora.

Ireo tolotra, sy sampandraharahan’ny TSARADIA

Manana kilasy 2 ny Tsaradia. Ny kilasy "Loisirs" sy ny kilasy "Privilège". Fantaro bebe kokoa ny kilasy privilège ato amin’ny pejy voatokana.

Rehefa mividy ny tolotra "Liberté" sy "Privilège" dia mahazo tapakila mety averina. Tsindrio eto raha te hahalala bebe kokoa ny tolotra misy.

TSARADIA  dia manome tolotra « promo » amin’ny sidinany rehetra mandritran’ny taona.

Ny tolotra "Légèreté", "Coup de coeur" dia afaka jifaina foana raha mbola misy.

Mandritran’ny vanim-potoana fivarotana manokana, TSARADIA dia manolotra sidina "Promo", amina toerana sy daty efa voatondro. 

Mba ahitana ireny tolotra ireny, misoratà anarana amin’ny newslleter anay mba hifandraisana hatrany miaraka amin’ny TSARADIA, na tsidio matetika « ny sidina mora », na ny pejy facebook, na linkedin.

Raha te hisitraka ny tolotra « promo » an’ny TSARADIA ihany koa, Fandrio aloha ny tapakilanao mba ahazoana ny tolotra mora indrindra. Arakarakin’ny maha akaiky ny datin’ny sidina, no tsy hahitana tolotra mora kokoa.

Ny tolotra vondrona ato amin’ny TSARADIA  dia natokana ho an’ny mpandeha amina sidina iray sy daty mitovy mihoatra ny olona folo. Misy fepetra manokana ity tolotra ity. Ny fangatahana tolotra vondrona dia tombanana mialoha.

Ny fepetran’ny tolotra vondrona an’i TSARADIA dia tsotra satria :

  • Sara-dalana tokana ho an’ny mpandeha rehetra.
  • Tsotra ny famandrihana
  • Fepetra fandoavambola mora kokoa

Raha manana vondrona misy olona mihoatra  ny folo ianao, manasa anao handefa ny fangatahana tombana. Farito mazava tsara ny antsipirian’ny dia.

Raha te hisitraka ny tolotra mora indrindra eto amin’ny TSARADIA, ireto misy sosokevitra vitsivitsy :

  • Fandrio mialoha ny tapakilanao. Amin’izay fotoana izay mantsy ianao mety ahazo ny tolotra "Légèreté" na "Coup de coeur".
  • Tsidio matetika ny pejy « tolotra manokana » hijerena ireo tolotra mora ho an’ny sidina 15 andro manaraka.
  • Fandrio sy tsidio mivantana ao amin’ny tranonkalan’ny TSARADIA ny tapakilanao. 

246.600 MGA TTC ny tolotra mora indrindra nisy tao amin’ny Tsaradia, ny taona 2021. Tolotra "Légereté" tamin’ny sidina Maroantsetra✈Sainte-Marie izy ity.

TSARADIA dia manolotra sampandraharaha fandefasana entana. Hitanao "ato" avokoa ny ita rehetra momba izany.

Momban’ny entana

Miankina amin’ny tolotra nosafidianao ny isa sy ny lanjan’ny entana afaka entinao ao amin’ny kabina sy atao any amin’ny « soute ».

Amin’ny sidina TSARADIA, entana miisa roa no azo entina. Miaraka amin’ny tolotra « loisirs », ny iray entana 20kg ho atao any amin’ny « soute » ary ny iray, entana 5kg atao ao amin’ny kabina. Miaraka amin’ny tolotra "Privilege" kosa, afaka mitondra entana 10 kg atao ao amin’ny kabina ary entana 30 kg atao any amin’ny « soute ». Azonao atao ihany koa ny mitondra kojakoja 1 ary tsy mihoatra ny 2 kg izany (kitapo, sakosy, sns). 

Tsidio ny pejy voatokana ho an’ny entana raha te hahalala bebe kokoa.

Ao amin’ny « soute », ny fitambaran’ny refy 3 (L+l+h) ny entanao dia tsy tokony hihoatra ny 158 cm. Tsy tokony hihoatra ny 20kg ihany koa, tafiditra ao anatin’izany ny lanjan’ny kodiarana sy ny paosy rehetra.

Tokony hirefy 55 x 35 x 25cm farafabeny ny entana atao ao amin’ny kabinina ary tsy tokony hihoatra ny 5kg ny lanjany.

Raha te hijery ny lisitrin’ny zavatra tsy azo entina ao anaty fiaramanidina, tsidio ny lisitrin’ny zavatra tsy azo entina sy ny fitsipika ao anaty fiaramanidina.

Tafiditra ao anatin’izany ireto manaraka ireto :

  • Tavoangy misy rano
  • Essence pour briquet
  • Loko 
  • Désherbant
  • Réchaud de camping
  • GPL : gaz de pétrole liquéfié
  • Munitions : Balles
  • Poison ou Eau de Javel
  • Essence
  • Batterie
  • Izay batterie en lithium rehetra : powerbank (zavatra mety hirehitra ka hahatonga afo)
  • Afomanga

Ny entana azo entina amin’ny tolotra "Loisirs" ao amin’ny TSARADIA dia 20kg any amin’ny « soute » ary 5kg any amin’ny kabinina (hafa ny any tolotra "Legereté").
Amin’ny tolotra "Privilège" kosa, entana 30kg ny azo atao ao amin’ny soute ary 10kg ao amin’ny kabinina.

Ho an’ny sidina mitohin’ny Air Madagascar, 2x23 kg ny entana azo entina ao amin’ny « soute » ary 10kg ao amin’ny kabinina (Miankina amin’ny vesatry ny fiaramanidina ny fanampina entana azo atao).

Eny amin’ny seranam-piaramanidina amin’ny andron’ny sidina irery ihany no fandoavana sara fanampina entana. Miankina amin’ny vesatriny fiaramanidina ny fahafahana manampy entana. Manomboka amin’ny 30.000 MGA/kg ny sarany.

Mandritra ny famandrihana, Mila hampafantarina mialoha raha mihoatra ny tokony ho izy ny entanao atao any amin’ny « soute » (fitambarany H + l + L tsy mihoatra ny 158 cm).

Raha mihoatra ny tokony ho izy ny entanao dia tsy maintsy mandoa sara fanampiny ianao eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Jereo ato amin’ny pejy manokana ny entana mihoatra azo hoentina.

Ekena amin’ny sidina Tsaradia ny karazana tehina, ny « déambulateurs », ny fanindrona, ny « concentrateurs » sy « ventilateurs ». Amin’ny ankapobeny, Ny fitaova-pisefoana tahaka ny « concentrateurs d'oxygène portables » (COP) sy ny fitaovana manohitra ny «  apnées respiratoires » (PPC) dia azo entina eny ambony fiaramanidina. Na izany aza, tsy afaka hampiasaiana ny fitaovana mila famatsiana erinaratra eny ampanidinana. Raha manana fitaovana mandeha amin’ny bateria ianao, Fantaro raha azo entina eny ampanidinana izany.

Homano ny dianao miaraka amin’ny TSARADIA

Raha sendra misy ny fiovan’ny daty sy fandaharam-potoana dia handefasan’ny TSARADIA  hafatra na mailaka amin’ny alalan’ny mombamomba anao manokana ao amin’ny tapakilan’ny fiaramanidina ianao. Tsidio ny fizarana « Ny tapakilako » ary hamarino raha hananan’ny TSARADIA ny mombamomba anao (lahara tariby, mailaka) mba ahafahana mifandray aminao raha misy ny olana.

Azonao atao ihany koa ny manaraka ny satan’ny sidinay amin’ny alalan’ny fijerena ny « fandaharan’ny sidina » izay mivoatra matetika. Misy isakin’ny 15 minitra ny vaovao farany momban’ny sidina.

Raha nanjifa tapakila TSARADIA tamina mpikarakara dia ianao dia izy ireo no manome vaovao sy miandraikitra tanteraka ny mombanao.

ATR ny akamaroan’ny fiaramanidina hampiasaina ato amin’ny TSARADIA. Misy toerana 70 ao anatin’izany ka ny 08 natokana ho an’ny « classe Privilège », ary ny 62 toerana ho an’ny « classe Loisirs ».

Mba hisidinana am-piadanana, safidio rehefa mamandrika tapakila ny toerana tianao hipetrahana, na safidio ao amin’ny « ny tapakilako ». Afaka miantso ny sampandraharaha ho an’ny mpanjifa ihany koa ianao raha hamandrika ny toerana hipetrahana.

Ho an’ny sidina miohatra ny ora iray, manolotra tsakitsaky ho an’ny mpandehany ny TSARADIA. Efa tafiditra ao anatin’ny saran’ny tapakila izany.

Ny mpandeha "Privilege" kosa dia mahazo tsakitsaky manokana.

Ny sidina TSARADIA rehetra dia tsy azo hifohana sigara. Izay mpandeha minia tsy manaraka izany fitsipika izany dia ho enjehina.

ATR 72 no tena ampiasain’ny TSARADIA. Hitanao ato amin’ny pejy voatokana ny ita rehetra mikasika ny fiaramanidina ampiasainay.

Ekena ny tavoangy tsy mihoatra ny 100 ml, fa mila saromana, harovana tsara atao anaty kitapo plasitika eo ho eo amin’ny 20 x 20 cm.

Hitanao ao amin’ny "conditions générales de vente et de transport"  ny lahatsoratra 15 izay milaza ireo fanohanana azo raha sendra foana ny sidina tokony handehananao.

Raha sendra misy ny fanafoanana sidina, mahazo fanohanana ny mpandeha fa kosa misy fepetra manokana. Ny mety ho hita ao amin’ny fanohanana:

  • Ny sakafo sy zava-pisotro eo am-piandrasana raha ilaina izany,
  • Ny toerana hatoriana raha ilaina izany,
  • Antso an-taroby 3 minitra indroa, na fandefasana hafatra 2 amin’ny telex, na fax na email.

Ny mpandeha rehetra na vita vakisiny na tsia dia mila manao fitsapana Covid-19. 

Taoriany fanambaran’ny filohan’ny repoblika Malagasy ny 30 May 2021. Ny fitsapana atao dia « test antigénique » izay ahazoana valiny ao anatin’ny 30mn.

Raha sendra tsy tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina ny mpandeha iray dia foana sy tsy manakery intsony ny tapakilany.

Amin’izay fotoana izay tsy afaka mamerimbola izahay. Na izany aza, tsy maintsy miseho eo amin’ny fiantsonan’ny fiaingana eny amin’ny seranam-piaramanidina ianao ary mitatira fa tsy tratranao ny sidina.

Raha tena tsy tratranao ny sidina satria tara fahatongavana ny fiaramanidina teo aloha, amin’izay tranga izay, ny zotram-piaramanidina teo aloha ny tompon’andraikitra, afa-tsy amin’ny toe-javatra miavaka tahaka ny toetry ny andro.  

Raha ohatra ka tsy afaka mankeny amin’ny seranam-piaramanidina mandray ny sidina, hiangaviana hiteny malaky araka izay tratra ny kaompania TSARADIA (telo ora alohan’ny sidina). Raha tsy nampitandrina ny tsy fahafahana kosa dia very ny tapakilanao satria tahaka ny hoe nandeha ihany.

Afaka misidina ny vehivavy bevohoka hatramin’ny fahafito volana (28 erinandro), fa mila porofo fanamarinana momba ny volan’ny vohoka. Mety ho « certificat médical » na taratasy fanaraha-maso ny fitondrana vohoka izany fanamarinana izany. Manomboka amin’ny fahavalo ny volana kosa (32 erinandro) dia tsy afaka misidina intsony. Tsara raha mangataka torohevitra amin’ny dokotera alohan’ny sidina.

Eny. Mba hampirindra ny sidina, hiangaviana mba hiteny mialoha raha mila fanampiana. Antsoy 72 ora mialoha ny foibe fandraisanay antso na fenoy ny taratasy fifandraisana . Raha sendra mila, misy olona atolotray hanampy anao amin’ny fivezivezena eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Eny. Mba hisidinana am-piadanana, hampahafantaro ny tompon’andraikitra mialoha ny fahasembananao ary lazao raha hampiasa ny « chaise roulante » anao manokana ianao na mila fanampiana eny amin’ny seranam-piaramanidina. Hisy olona hatokana hanampy anao amin’ny fivezivezena eny amin’ny seranam-piaramanidina hatreny anaty fiaramanidina. Ny akabetsahan’ny seranam-piaramanidina dia misy « fauteuils roulants » hivezivezen’ny olona manana fahasembanana.

Tsindrio eto raha mila fanazavana fanampiny.

Any amin'ny kaonteran'ny fisoratana anarana dia angatahina ianao mba hanolotra antontan-taratasy hamarinana anao (karapanondrom-pirenena na pasipaoro manakery) sy ny tapakila elektronika.

Ahoana ny fandehanana aty Madagasikara?

Afaka mifandray amin’ny foibe fandraisana antson’ny Air Madagascar ianao amin’ny alalan’ireto laharana manaraka ireto : 

FOIBE FANDRAISANA ANTSO:

(Alatsinainy hatramin’ny Alahady amin’ny 07 ora maraina hatramin’ny 10 ora alina)

  • Madagascar : +261 (20) 22 510 00
  • France/Europe : 01 42 66 00 00
  • La Réunion : 01 40 06 01 01

FAMANDRIHANA SY FIFIDIANANA :

(Alatsinainy hatramin’ny zoma amin’ny 07 ora maraina hatramin’ny 08 ora alina)

  • Laharana : +261 34 49 224 02

Nambaran’ny fanjakana Malagasy ny fanokafana tsikelikely ny sisin-tanin’i Madagasikara nanomboka ny 23 oktobra 2021 (ho an’ny sidina rezionaly mampitohy an’i Maurice sy La Réunion amin’i Madagasikara) ary ny 06 novambra 2021 (ho an’ny sidina mampitohy an’i Eoropa amin’i Madagasikara).

Ho an’ity famerenana ny sidina mandeha alavitra ity, Air Madagascar dia hanolotra sidina matetika mandritra ny tapa-bolana voalohany avy eo fihodinana 2 isan-kerinandro mankany sy avy any Frantsa miaraka amin’ny saran-dalana mandroso sy miverina manomboka amin’ny 1060€.

 Malagasy