Famandrihana Hividy tapakila Tsaradia Hividy tapakila miaraka ami'ny Air Madagascar Ny tapakilako Karazana tolotra misy eto amin'ny Tsaradia Ny sidina mora Hijery na angataka fanovana tapakila Fantaro Ny fandaharan'ny sidina La classe "Privilège" Tsaradia Le Lounge Tsaradia Ny tambajotranay Guide Prime Media Ireo toeran-kalehanay Ny Covid-19 Fanomanana Fenitra ara-pahasalamana Entana Firaketana mialoha ny fiondranana Taratasy momba ny dia Tongava ao amin'ny Lounge Tsaradia Fiaramanidina sy kabinina Sakafo haroso Fanampiana manokana ho an'ny tsy salama Foire aux questions entana alefa Fifandraisana sy ora fandefasana Ny zotra mitondra entana manaraka Famandrihana Produits et services Envois spéciaux Fandefasana sy fandraisana entana Tsaradia Vaovao farany Air Madagascar Momba ny Tsaradia Momban'ny vondrona Air Madagascar Fifandraisana amin'ny Tsaradia Masoivoho Recrutement My Capricorne
Fantaro

Fanampahan kevitra manoloana ny Covid-19

MIFARANA NY FANAOVANA TEST COVID-19 MIALOHAN'NY SIDINA

Nanambara ny governemanta ny 24 Febroary 2022 fa, tapitra ny fanaovana fitiliana Covid-19 tsy maintsy atao ho an'ny mpandeha amin'ny zotra Tsaradia. 

Ny fitiliana Covid-19 dia natao ho an'ny mpandeha misy soritr'aretina ihany. Misy arak'izany ny fangalana ny mari-pana mialohan'ny sidina ary raha toa ka voamarina fa mitondra aretina ilay mpandeha dia raisin'ny eo mpiandraikitra ny fahasalamana an-tanana ny fikarakarana ireo mpandeha.

Sidina nahemotra noho ny Covid-19

Ny tapakila izay voalahatra nandeha mandritra ny fe-potoana fampiatoana ny sidina Tsaradia dia mbola manan-kery hatramin'ny 31 Desambra 2022.

Ireo mpandeha dia hasaina hanamarina ireo daty handehanana vaovao hahafahana mampiasa ny tapakilan'ny fiaramanidiny indray.

Azonao atao ny manao ny fangatahana fanovana ny daty amin'ny alàlan'ny foibem-piantsoanay +261 20 23 444 44, na amin'ny alàlan'ny fandefasana mailaka aminay amin'ny serviceclient.tz@tsaradia.com, na amin'ny alàlan'ny fifandraisana mivantana amin'ny toerana fivarotana tapakila Tsaradia akaiky anao.

  • Raha toa ka voamarina fa voan'ny Covid-19 ny mpandeha izay nanao fitiliana dia azo ovaina tsy misy sarany mandra-pahatongan'ny 31 Desambra 2022 ny tapakilan'ny mpandeha. Ny fanovana dia mety mahakasika ny daty sy/na ny zotra sy/na ny anarana ary indray mandeha ihany no mahazo alalana.
  • Mety hisy ny fanitsiana ny saran-dalana raha tsy misy intsony ny kilasin'ny saran-dalana novidiana voalohany.
  • Ny famerenan'ny volan'ny tapakila dia manaraka ny fomba famerenam-bola mahazatra: ny tapakila azo averina dia mijanona ho azo averina araka ny fepetra famerenan'ny toeram-pivarotana namoaka ny tapakila.

Ireo manana tapakilan'ny fiaramanidina Tsaradia, izay nahemotra noho ny Covid-19 dia afaka mangataka ny hanova tsy misy sarany :

  • Ny daty fitsangatsanganana
  • ny anaran'ireo mpandeha
  • ny làlan'ny dia

Tsy manam-paharoa ny fanovana (indray mandeha ihany no azo atao ny fanovana). Ny sidina vaovao dia tsy maintsy mialohan'ny 31 desambra 2022.

Ny fanovana dia tsy misy "pénalités". Na izany aza, misy ny fanitsiana ny haba noho ireto tranga manaraka ireto :

  • Raha tsy misy intsony ny saran'ny tapakila tany am-boalohany tamin'ny datin'ny dia vaovao. Matetika mitranga izany rehefa tena akaiky ny datin'ny sidina vaovao.
  • Raha misy fiovana amin'ny tahan'ny fifanakalozana Euros na ny "cours de change"
  • Raha misy fanavaozana ny hetra apetraky ny fanjakana
  • Raha misy ny fanovana ny zotra.

Tsy azo tantanana amin'ny alalan'ny site internet ireo fandaminana manokana ireo. Ny tapakilan'ny fiaramanidina tsirairay dia misy ny vidiny manokana. Ny tranga sasany dia mitaky "pénalités" fanovana am-boalohany, izay tsy azo foanana amin'ny Internet.

Raha misy fanovana ny dia eto amin'ny site internet'ny Tsaradia, dia misy ny "pénalités" fanovana ny dia hihatra amin'ny tapakila azo ovaina.

Raha tolotra mamela ny famerenam-bola ny tolotra novidianao dia azo averina ny volan'ny tapakilanao ary azo atao ny mangataka famerenana.

Mety haharitra roapolo amby zato (120) andro ny fikirakirana ny tamberim-bidy navoakan’ny toeram-pivarotana TSARADIA (website, call center ary masoivoho Tsaradia eny Ivato sy any amin’ny faritany) amin’izao fotoana izao aorian’ny naharaisana ny fangatahan’ny mpanjifa.

Azo atao koa ny mangataka taratasim-bola, izay azonao ampiasaina hividianana tapakila vaovao any aoriana.

Ny fikarakarana ny tamberim-bidy ho an'ny tapakila TSARADIA navoakan'ny masoivohon'ny AIR MADAGASCAR (Analakely, La City) dia manaraka ny fepetra famerenam-bola eo anivon'ny AIR MADAGASCAR.

Ny fikarakarana ny tamberim-bidy ho an'ny tapakila navoakan'ny sampan-draharaha misahana ny fitsangatsanganana na "agence de voyage" dia manaraka ny fepetra famerenam-bola eo anivon'ny ny sampan-draharaha misahana ny fizahantany.

Raha tsiahivina dia ny tolotra misy amin'ny tapakila izay mamela ny famerenam-bola ihany no azo averina. (izany hoe ny saran-dalana "Liberté" sy "Privilége").

Ny tapakila misy ny tolotra mora, na ireo "offre promotionnelles" ("Legereté", "Coup de coeur", "Promo", "Découverte" ) dia tsy afaka averina

Ny tapakila misy ny tolotra "Liberté", "Privilège" ihany no afaka angatahana famerenam-bola

Manasa ny mpandeha hanova ny tapakilan'ny fiaramanidina mialoha araka izay azo atao mba hisorohana ny fanitsiana noho ny tsy fahazoan'ny sarany tamin'ny voalohany. Arakaraky ny maha-akaiky ny datin'ny sidina dia mety tsy hisy ny sarany azo tamin'ny voalohany. Raha toa ka "Promo" ny tarif  ny tapakila novidiana tamin'ny voalohany, dia tsy maintsy hisy ny fanitsiana hatao, na "Réajustements"

Fepetra ara-pahasalamana amin'ny dia miaraka amin'i Tsaradia


Tsaradia dia nanohy ny sidina tao anatin'ny toe-pahasalamana izay mbola ilaina ny fitandremana sy ny fitandremana.

Ao anatin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny COVID-19 ihany koa dia misy ny fepetra ara-pahasalamana ataon’ny Tsaradia isan’andro.

Ilaina ny fitiliana Covid-19 ho an’ireo mpandeha rehetra miainga na tonga eto Antananarivo. Ny fitiliana covid-19 dia tsy maintsy atao ho an'ny mpandeha rehetra vita vaksiny sy tsy vita vaksiny.

 


Fampatsiahivana momba ny fitoeran'ny sidina TSARADIA


 

Niverina tsikelikely ny sidina Tsaradia nanomboka ny 1 septambra 2020 taorian'ny fe-potoana fampiatoana noho ny valan'aretina Covid-19. Miara-dia amin'ny fanohizana ny sidina ny fepetra ara-pahasalamana.

Pour rappel, faisant suite à la déclaration du Ministre des Transports, du Tourisme et de la Météorologie et en application de la note de l’Aviation Civile de Madagascar du 24 Mars 2020, la compagnie Tsaradia a suspendu tous ses vols du 25 mars 2020 au 1er septembre 2020

Avec la recrudescence du nombre de cas de covid-19 suite à l'apparition du nouveau variant, le Président de la République de Madagascar a annoncé le 18 Avril 2021 la fermeture de tous les aéroports ainsi que la suspension des vols. Après l'ouverture des aéroports au 30 Mai 2021, Tsaradia a repris progressivement ses vols depuis le 05 Juin 2021. Cette réouverture annoncée s'accompagne de mesures imposées par le gouvernement à savoir la mise en place de test covid-19 pour tous les passagers se déplacant de/vers les provinces.

* Filazam-bidy amin’ny vola euro, arakaraky ny sanda manan-kery ny androtr’iny – Miaraka amin’ny haba – Miankina amin’ny fisiany – Mety hisy fiakarana tsy voalaza mialoha

 Malagasy