Famandrihana Hividy tapakila Tsaradia Hividy tapakila miaraka ami'ny Air Madagascar Ny tapakilako Karazana tolotra misy eto amin'ny Tsaradia Ny sidina mora Hijery na angataka fanovana tapakila Fantaro Ny fandaharan'ny sidina La classe "Privilège" Tsaradia Le Lounge Tsaradia Ny tambajotranay Guide Prime Media Ireo toeran-kalehanay Ny Covid-19 Fanomanana Fenitra ara-pahasalamana Entana Firaketana mialoha ny fiondranana Taratasy momba ny dia Tongava ao amin'ny Lounge Tsaradia Fiaramanidina sy kabinina Sakafo haroso Fanampiana manokana ho an'ny tsy salama Foire aux questions entana alefa Fifandraisana sy ora fandefasana Ny zotra mitondra entana manaraka Famandrihana Produits et services Envois spéciaux Fandefasana sy fandraisana entana Tsaradia Vaovao farany Air Madagascar Momba ny Tsaradia Momban'ny vondrona Air Madagascar Fifandraisana amin'ny Tsaradia Masoivoho Recrutement My Capricorne
Tsaradia

Ny vondrona Air Madagascar

Momban’ny vondrona Air Madagascar

  • Niforona tamin’ny taona 1961 ary nitondra ny anarana hoe « MADAIR » tamin’ny fampivondronana ny orinasa tsy miankina « Air Madagascar » sy ny tambajotran’ny « Air France » eto an-toerana, efa hatramin’ny taona 1962 no nahazo ny anarany ankehitriny ny Air Madagascar. 
  • Nanomboka tamin’ny taona 1961 niforonany, Ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka nasionaly Malagasy dia miandraikitra ny fitaterana ny mpandeha sy ny entana manerana sy ivelan’i Madagasikara.
  • Hampivoatra ny toekarena sy ny fizahantany eto Madagasikara no antom-pisian’ny Air Madagascar, amin’ny fanokafana ny varavaran’ny Nosy amin’izao tontolo izao. Air Madagascar ihany koa dia miantoka ny fandefasana entana na fitaovana amin’ny alalan’ny sampandraharaha mpandefa entana (service cargo).
  • Air Madagascar dia mampitohy an’izao tontolo izao amin’ny sidina mankany Eoropa (Paris, Marseille) ary Azia (Guangzhou). Mampitohy toerana 06 ao amin’ny ranomasimbe Indianina ihany koa ny Air Madagascar. 
  • Laharam-pahamehan’ny kompania ny fiarovana ny mpandeha ao aminy. Misy ny fijerevana sy fikojakojana ny fitaovana rehetra hampiasaina mba tsy hampiroiroy ny mpandeha.
  • Tamin’ny taona 2017, niditra ho mpiray antoka amy stratejika ny zotram-piaramanidina Air Austral. Novaina sy nasiam-pamboarana ny kompaniam-pitaterana an’habakabaka Malagasy ary lasa vondrona « Air Madagascar ». Natao izany fanavaozana  izany, entina hanatsarana ny fandaminana ny sehatra tsirairay tantanin’ny Air Madagascar. 

Manana marika 5 izao ny vondrona Air Madagascar ka ny 3 amin’izay dia 100% an’ny Air Madagascar:

  • Ny kompaniam-pitaterana Air Madagascar  dia manome sidina iraisam-pirenena (lavitra sy isam-paritra) mankany sy avy any Madagasikara.
  • Ny orinasa MGH (Madagascar Ground Handling) no miantoka ny fikarakarana ny mpandeha, ny fitaovana ary ny entana eny amin’ny seranam-piaramanidina.
  • Ny orinasa Amadeus Madagascar no manome vahaolana ara-teknolojia sy fitsinjarana ny sehatrin’ny dia sy ny fizahantany ho an’ny vondrona.
  • Ny vondrona Sofitrans no mikarakara ny resaka sakafon’ny vondrona Air Madagascar na ny sakafo eny ampanidinana izany na ny eny amin’ny seranam-piaramanidina. Manana sampandraharaha hafa koa ny vondrona Sofitrans, toy ny sampandraharaha hotely miaraka amin’ny masoivoho mpikarakara dia, ny biraon’ny fanakalozana vola sy fiantohana.
  • Ny zotram-piaramanidina TSARADIA no miantoka ireo sidina anatiny. Noforonina ny TSARADIA mba hanamafisana ireo tambajotra eto an-toerana ary mba ahafahan’ireo Malagasy mivezivezy an’habakabaka.

Nambaran’ny filankevi-pitantanana ny volana oktobra 2021 fa hitambatra iray ny kompania Air Madagascar sy TSARADIA ka ho orinasa tokana dia "Madagascar airlines".

Ireo mpandray anjara ao amin’ny vondrona Air Madagascar 

Mizara toy izao ny renivola ao amin’ny vondrona Air Madagascar :

  • Ny 51%-n’ny renivola dia tantanan’ny fanjakana Malagasy.
  • Ny 49%-n’ny renivola dia tantanan’ny CNAPS (caisse nationale de prévoyance sociale) taorian’ny fivoahan’ny Air Austral ny renivolan’ny Air Madagascar tamin’ny taona 2020.

IREO MPIKAMBANA VAOVAO AO AMIN’NY FILANKEVI-PITANTANANA

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny vondrona Air Madagascar

  • Andriamatoa Mamy RAKOTONDRAIBE, Filohan’ny filankevi-pitantanana, mpisolotena ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Fizahantany
  • Ramatoa Rinah RAKOTOMANGA, Filoha lefitrin’ny filankevi-pitantanana, mpisolotena ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Fizahantany
  • Ramatoa Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON, Tale, mpisolotena ny minisiteran’ny  Toekarena sy ny Vola
  • Andriamatoa Ihajambolatiana RANJALAHY, Tale, mpisolotena ny minisiteran’ny  Toekarena sy ny Vola
  • Andriamatoa  Andrianavalomanana RAZAFIARISON, Tale, mpisolotena ny CNAPS
  • Andriamatoa Patrice RAOULL Tale, mpisolotena ny CNAPS
  • Andriamatoa Raharomampiandra LOLONA, Tale, mpisolotena ny CNAPS

 

Ny iraka, ny vina ary ireo soatoavin’ny Air Madagascar

  • Ny iraka : Mijoro ho fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara
  • Ny vina : Ho lasa orinasa tiana eto Afrika sy voalohany eto amin’ny Ranomasimbe Indianina
  • Ireo soatoavina : Fahamarinana, Fahatsarana, Fisokafana, Fanajana

Ireo daty nanamarika ny vondrona Air Madagascar

1961 : Niforona ny Air Madagascar tamin’ny fampivondronana ny orinasa tsy miankina Air Madagascar sy ny tambajotra Air France eto an-toerana ka nitondra ny anarana hoe “MADAIR”.

1962 : Nitondra ny anarana hoe Air Madagascar ny kompaniam-pitaterana an’habakabaka Malagasy. Nisidina voalohany tany Paris niala avy eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, Antananarivo niaraka tamin’ireo sidina mankany amin’ny faritra sy manerana ny Ranomasimbe Indinina: Djibouti, Moroni sy Saint Denis any La Réunion.

1970 : Nihitatra nankany amin’ny nosy Maurice, Kenya ary Afrika atsimo ny sidina mankany Afrika.

1976 : Tsy nitsahatra nivoatra ny zotran’ny Air Madagascar tamin’ny fampidirana an’i Seychelles ho isan’ireo toerana afaka halehany. 

1979 : Nihitatra nankany Eoropa ireo toerana naleha : Zurich, Francfort, Munich ary Rome. 

1998 : Nanamarika ny fisiany tany Azia ny Kompania Malagasy : Singapour, Chine.

2002 : Taorian’ny krizy ara-tsosialy sy ara-politika, Nanao sonia fifanarahana tamin’i Lufthansa ny Air Madagascar amin’ny fanarenana sy fanavaozana azy.

2004 : Nahazo fankatoavana avy any amin’ny fikambanana fikojakojana ny fiaramanidina sy ny fitaovan’ny fiaramanidina PART-145 (remplace JAR-145) navoakan’ny EASA (European Aviation Safety Agency) ny Air Madagascar, ary nametraka ny sary famantarana vaovao izay io mbola ampiasaina ankehitriny io. Nanitatra ny zotra alavitra ny Air Madagascar tamin’ny fanonkafana ny zotra mankany Thaïlande (Bangkok) sy Italie (Milan).

2005 : Nampiditra ATR 72-500 roa ny Kompania.

2006 : Ny volana desambra, Nahazo ny mari-pankasitrahana IOSA (IATA Operational Safety Audit) ny Air Madagascar ary nandray ATR 42-500 vaovao mba ho fanavaozana ny fiaramandina ATR.

2007 : Nanokana zotra vaovao mankany Frantsa ny Air Madagascar : Antananarivo-Marseille.

2008 : Ny volana mars, nanao sonia « partage de code » niaraka tamin’ny Corsairfly ny Kompania amin’ny sidina Paris-Antananarivo ary ny volana jona, nanao sonia fifanarahana tamin’ny GECAS (GE Capital Aviation Civil).

2009 : Toerana vaovao no afaka haleha any Azia: Guangzhou, Chine.

2011 : Tafiditra tao amin’ny « annexe B » ny Air Madagascar ary niharan’ny fameperana miasa ao amin’ny vondrona Eoropeana.

2012 : nahazo ny Airbus A340-300 ny Air Madagascar mba hanoloana ny Boeing an’ny Euro Atlantic, avy eo ny volana Jona 2012, tonga ny Airbus A340-300 faharoa izay nofaina no sady novidiana tamin’ny Air France. 

2015 : Taorian’ny hetsika fanentanana nataon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina dia niforona ny « Alliance Vanille » tamin’ny farany volana may 2015. Mivondrona ao anatin’izany ny Kompaniam-pitaterana an’habakabaka 5 eto amin’ny ranomasimbe Indianina, ahitana an’ny Air Madagascar, Air Austral, Air Mauritius, Air Seychelles ary Int ‘air Île. Natao ity fiombonana ity mba hahafahan’ireo nosy mifandray bebe kokoa. Ny volana novambra 2015, nofoanan’ny Air Madagascar ny zotra Guangzhou-Bangkok. 

2016 : Ny volana Jona, niala tamin’ny « annexe B » ireo Airbus A340-300 roa an’ny Air Madagascar. Niverina indray ny zotra mankany Guangzhou, Chine tamin’ny fanaovana ny « partage de code » niaraka tamin’ny Air Austral. Nanamarika ity taona ity ihany koa ny fanokafana ny MGH Madagascar Ground Handling, sampandraharaha iray ao amin’ny Air Madagascar, izay natsangana mba hahafeno tsara ny fenitry ny IATA.

2017 : Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa amy stratejika niaraka tamin’ny Air Austral ny Air Madagascar, ka nahatonga ny fiovan’ny Air Madagascar ho vondrona Air Madagascar.

2018 : Ny 2 jolay 2018, niforona ny sampandraharaha iray vaovao izay mitondra ny anarana hoe « Tsaradia ». Kompaniam-pitaterana an’habakabaka vaovao  izy io hanamafisana ny tambajotra anatiny.   

2020 : Nifarana ny fiaraha-miasa amy stratejika niaraka tamin’ny Air Austral. Navelan’ny Air Austral Invest ho tombontsoan’ny CNAPS ny anjarany, izay lasa mpiombon’antoka amin’ny orinasam-pitaterana an’habakabaka eto Madagasikara « Air Madagascar ».

2021 : Nanomboka fanavaozana vaovao ny vondrona ary nanambara ny fananganana ny Madagascar Airlines. Orinasa vaovao hanambarana an’ny TSARADIA sy Air Madagascar.

Ireo mariky ny vondrona Air Madagascar

Air Madagascar :

Kompaniam-pitaterana an’habakabaka Malagasy voalohany, izay mampifandray an’i Madagasikara amin’izao tontolo izao nanomboka ny taona 1961, ary manohy manolotra ny fikojakojana fiaramanidina, ny fitaterana entana an’habakabaka iraisam-pirenena. Miaraka amin’ny mpiasa maherin’ny 900, Misidina any amin’ny firenena 9 sy manerana ny faritra izay atolotra, izay efa tsotra ankehitriny. Raha te hahalala bebe kokoa momban’ny Kompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar, tsidio ny tranonkala ofisialy www.airmadagascar.com

Ny vondrona Sofitrans :

Vondrona iray tsy mitsahatra mampilona ny mpanjifa amin’ny tsiron-tsakafo Malagasy mandritra ny sidina, ary mifantina ireo fivarotana tsara indrindra amin’ny fividianana ireo « Duty free ». Hita any amin’ny birao fanankalozam-bola an’izy ireo, ireo mpiara-miasa 370, miaraka amin’ny masoivoho mpikarakara dia « Airtours » izay manolotra na manoro ireo hotely sy toerana fisakafoanana tsara indrindra eto Madagasikara. Ny vondrona sofitrans ihany koa no miantoka ny dia miaraka amin’ny fiantohana « Ny Havana » an’ny vondrona sofitrans. Raha te hahalala bebe kokoa momban’ny vondrona sofitrans, tsidio ny tranonkala ofisialy sofitrans-sa.com

Madagascar Ground Handling :

Sampandraharaha misahana manonkana ny ety an-tanety, manaraka ny fenitra IATA, misahana ny fiarovana anao, ny fiarovana ny entanao ary ny sidina ataonao eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, Antananarivo sy any amin’ireo faritra lehibe eto Madagasikara. Sampandraharaha ao amin’ny Air Madagascar natsangana tamin’ny taona 2016, miaraka amin’ny mpiasa mihoatra ny 200 izay hanampy sy hiantoka ny hetsika rehetra ety an-tanety. Fantaro bebe kokoa ny Madagascar Ground Handling na MGH tsidio ny tranonkala www.mg-handling.com

Amadeus Madagascar :

Orinasa 100% an’ny Air Madagascar izay manolotra vahaolana ara-teknolojia hanamora ny fampandehanan-draharahan’ny zotram-piaramanidina Malagasy amin’ny alalan’ny fanomezana rindram-baiko. Ankoatra izany, izy dia mizara ireo sidina sy saran-dalan’ny zotram-piaramanidina amin’ireo mpikarakara fizahantany sy dia mba hamoronana fifandraisana matanjaka amin’ny mpanjifa. 

TSARADIA :

Kompaniam-pitaterana an’habakabaka Malagasy niforona tamin’ny 2 jolay 2018, 100% an’ny Air Madagascar, natokana ho sidina ato anatiny irery ihany, TSARADIA dia manolotra fitsidihana faritra 11 eto Madagasikara sy fitaterana entana manerana ny osy miaraka amin’ny sampandraharaha natokana ho an’izany. Miaraka amin’ny mpiasa 264 za-draharaha, Vinan’ny TSARADIA ny hanao demokratika ny zotra an’habakabaka eto Madagasikara ary hiaraka ami’ireo mpanjifany ami’ny fahitana an’i Madagasikara sy ny kolontsainy ary ny mponina ao aminy. Raha te hahalala bebe kokoa momban’ny Kaompaniam-pitaterana an’habakabaka TSARADIA, tsidio ny pejy "momba ny tsaradia", na jereo ireo karazana tolotra misy eto amin’ny Tsaradia,  ireo toeran-kalehanay eto Madagasikara atolotry ny TSARADIA.

Ireo toerana aleha ankehitriny

Toerana 3 manerana izao tontolo izao :

  • Paris, France
  • Marseille, France
  • Guangzhou, Chine

Toerana 6 manerana an’i Afrika :

  • Nairobi, Kenya
  • Moroni, Comores
  • Johannesburg, Afrique du sud
  • Dzaoudzi, Mayotte
  • Port Louis, Maurice
  • Saint Denis, La Réunion 

Noho ny fisian’ny covid-19, misy zotra sasany notapahina.

Ireo fiaramanidin’ny vondrona Air Madagascar

Fiaramanidina 9 ankehitriny no entin’ny Air Madagascar sy TSARADIA miasa, ao anatin’izany:

  • Airbus A340-300 roa,
  • ATR 72-500 iray,
  • ATR 72-600 iray,
  • DHC6-300 Twin Otte telo.

* Filazam-bidy amin’ny vola euro, arakaraky ny sanda manan-kery ny androtr’iny – Miaraka amin’ny haba – Miankina amin’ny fisiany – Mety hisy fiakarana tsy voalaza mialoha

 Malagasy